4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hitambatra - Laza BALEDA

HITAMBATRA

Na avy any lavitra , na avy any ampita
Na avy eto an-toerana raha mifanena isika
Ianao dia raisina an-tànan-droa
Arahaba tsara é! arahaba soa

Na avy any avaratra, Na Avy any Atsimo
Na Avy Antsinanana, Na avy any andrefana
Ianao dia raisina an-tanandroa,
Arahaba tsara é! arahaba soa!

Hitambatra ho iray isika a !
Izay no Fihavanantsika
Izay mahay miara-dia é ô ô
Hitombo hiroborobo

Ny fifandraisantsika
Io no hampivoatra antsika
Izay mahay miara dia é ! Ô ô
Hitombo hiroborobo
**
Ny mitabe tsy lanin’ny mamba
Akanga maro tsy vakin’amboa
Izay mitambatra Vato*
Izay misaraka fasika
**
Na avy any lavitra , na avy any ampita
Na avy eto an-toerana raha mifanena isika
Ianao dia raisina an-tànandroa
Arahaba tsara é arahaba soa

Hitambatra ho iray isika
Izay no fihavanantsika
Izay mahay miara-dia
Hitombo hiroborobo
**********************
Lead Vocal : Laza BALEDA
Choeurs: Joelle, Andry ,Lily
Prises de vues: Ratah, Gan et GAf
Réalisation: AMI
A/C: GAF
************************

Partager hitambatra

Commenter hitambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Laza BALEDA